Tolom-bahoaka tamin' ny 1947

Ny tolom-bahoaka tamin' ny 1947 dia fikomiana nataon' ny Malagasy tamin' ny taona 1947 sy 1948 teto Madagasikara, tamin' ny fotoana naha zanatany frantsay azy. Taorian' ny kirizy tany Indôsina izay nipoaka tamin' ny 1946, dia heverina ho fambaran' ny fanafoanana ny fanjanahantany tany Afrika miteny frantsay izany. Ny fikomiana, izay naharinganana voanjo frantsay andaniny sy Malagasy tsy anisan' ny mpitaky fahaleovantena ankilany, dia narahana famaizana mahatsiravina nataon' ny tafika frantsay izay namono Malagasy an' arivony maro.

Nanda ho tsy tompn' andraikitra tamin' ilay hetsi-bahoaka ny mpikambana tao amin' ny Mouvement démocratique de la rénovation malgache (MDRM) izay betsaka nogadraina sy novonoina, ary ny tao amin' ny Parti des déshérités de Madagascar (PADESM) kosa dia niharam-pahavoazana satria noheverin' ny mpitolona fa mpiray tsikombakomba amin' ny Frantsay.

Mbola miady hevitra ny mpahay tantara ny amin' ny tena isan' ny niharan' ny famaizana, ka eo anelanelan' ny 11 000[1] sy 100 000[2] [3] ny isan' ny maty ka izany no iheverana ny zava-nitranga ho ny tena mahatsiravina indrindra teo amin' ny tantaran' ny fanjanahan-tany frantsay. Tsarovan' ny Malagasy amin' ny alalan' ny andro tsy fiasana isaky ny 29 Marsa izany fikomiana izany nanomboka tamin' ny taona 1967 [4] [5].

  1. Araka ny tatitra tamin'ny taona 1952 dia 5 126 ireo mpikomy novonoina ary 5 390 ny olon-tsotra matin'ny hanoanana sy ny hatsiaka tany anaty ala izay nandositra ny ady nisy teo amin'ny mpikomy sy ny tafika frantsay. Jereo «Comptes rendus», Guerres mondiales et conflits contemporains vol. 3, no 207, 2002, p. 139-147 [vakio an-tranonkala [tahiry]].
  2. http://mondediplo.com/1997/03/02madagascar [tahiry].
  3. Pdf Archived Novambra 22, 2010 at the Wayback Machine [tahiry] insurrection de Madagascar
  4. Fanontaniana napetraka tamin'i Jean Roland Randriamaro, mpahay tantara (tahiry).
  5. Séverine Awenengo, Pascale Barthelemy, Charles Tshimanga, « Écrire l'histoire de l'Afrique autrement », Cahier no 22, Collectif, L'Harmattan, septembre 2004.

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search